France : Nikatona ny toeram-pitsaboana tokana ao amin’ny nosy Moines
Tsy manohitra ny fanaovam-baksiny ny mpitsabo Christine Hochard saingy ny fanerena ataon’ny fitondram-panjakana no tsy mety aminy, antony nandavany ny fanatanterahina izany. Tsiahivina fa 3000 ireo mpiasan’ny fahasalamana nahatsahatra tamin’ny asany tao aorian’ny fanerena azy ireo hanao vaksiny ary tafiditra tamin’izany ity mpitsabo ao amin’ny nosy Moines ity.Tsy mbola nanakana ireo olona tonga tao aminy hanao vaksiny nefa izy na dia tsy mankasitraka izany aza, indrindra ny vaksiny atao amin’ny ankizy sy ny tanora. Tsy fantatra hoy izy ny mety ho fiatraikan’izany any aoriana any. Marihina fa izy irery no mpitsabo ao amin’ny nosy, manahy amin’ny fikatonan’io toeram-pitsaboany io ireo mponina ao an-toerana.
