Antsohihy : Mpangalatr’omby iray lavon’ny mpitandro filaminana
15 Martsa, 11h30. Ny alin’ny 13 martsa, tokony ho tamin’ny 10 ora no fantatra fa lasan’ny dahalo ny omby 29 tao Analavory‚ fokontany Ambodivohitra‚ CR Anjiamangirina Distrikan’ Antsohihy. Nijoro ny tanora sy lehilahy matanjaka teo an-tanàna nanao ny fanarahan-dìa ary nampilaza ny mpitandro filaminana miasa manodidina eny.
Nandray andraikitra avy hatrany ny Zandarimariam-pirenena sy ny Tafika Malagasy ka nifanojo tao Ankazomisikina‚ fokontany Bevahona‚ CR Anahidrano izy ireo niaraka tamin’ny fokonolona sy ireo dahalo 05 lahy nandroaka omby halatra ka nifandoana ny roa tonta ny14 Martsa tokony tamin’ny 02 ora maraina teo. Maty voatifitra ny iray tamin’ireo dahalo‚ ny iray hafa voa teo amin’ny feny ary ny telo hafa kosa tafatsaoka.
« Mitohy ny fandraisana andraikitra amin’ny fampandriana ny fahalemana ato amin’ny faritra Sofia. Miara-miasa ny mpitandro filaminana dia ny zandary sy ny Tafika Malagasy izay tarihin’ny CNE Solay eto Antsohihy ary ny vahoaka. Vonona mandrakariva izahay raha misy ilana ary aza misalasala miantso sy mampita vaovao ara-potoana afahana mandray andraikitra. Mankasitraka ny fokonolona amin’ny fiarahamiasa… »‚ hoy ny Kolonely Lys Odon Randriamidona Komandin’ny vondrontobi-pileovana Sofia.
Nalevina tao Anahidrano ilay tovolahy maty voatifitra. Nentina namonjy toeram-pitsaboana kosa ilay naratra ary naverina tamin’ny tompony ny omby.
