Mitohy ny fitakiana
03:00: Tsy tapitra hatreo ny fitakiana sy fidinana an-dalambe ataon’ireo mpianatra ao Barikadimy. Androany 22 febroary tokony ho tamin’ny folo sasany teo dia nitaky ny rariny momba ny nahafatesan’i Johnnelly ireo Mpianatra. Tao anatin’ny firaisan-kina tanteraka no nanehoan’izy ireo izany ary samy nanao akanjo mainty avokoa no nifandray tanana ireto mpianatra marobe nilatsaka teny an-dalambe.
