ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Notolorana fitaovam-pianarana ireo mpanala fanadinana

Nahazo fanampiana avy amin’ny kaominina Ambohimangakely ireo mpianatra mpanala fanadinana CEPE ao amin’ny kaominina. Hanampy betsaka azy ireo hiatrika ny fanadinana am-pilaminana ireto fitaovana ireto.

« Isan’ny sakana tsy ahafahan’ny ankizy miatrika ny fanadinana tokoa ny tsy fahampian’ny fitaovana. Mirary soa sy ny tsara ho an’ireo zanatsika iatrika izany izahay » hoy ny Ben’ny tanàna ao Ambohimangakely, Radafindranaro Thierry.

Hirariana hahita vokatra tsara amin’ity taom-pianarana ity. Ny ankizy tokoa no fanilon’ny firenena rahatrizay. Rariny raha mhazo fanohanana izy ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire