Antanetibe Mahazaza : 14 no nisitraka ny didimpoitra faobe
Nikarakara didimpoitra faobe ny fikambanana Zarafa (Zatovo Raitra Fakantahaka) ho fitsinjovana ny ray aman-dreny manoloana ny fafasahirananha. Miisa 14 miralahy ireo ankizy nisitraka izany.
« Tao anaty firaisan-kina tanteraka no nanatanterahana ity hetsika ara-tsosialy ho fanampiana ny ray aman-dreny ity. Nozaraina kilalao sy sakafo kely ihany koa ireo zaza ireo taorian’ny hetsika faobe » hoy ny tompon’andraikitra. « Tsy olana ny fananterahana ny hetsika. Isaorana isika rehetra niara-nisalahy tamin’ity hetsika ity. Hanampy ny mpiara-belona ny antom-pisian’ny fikambanana mba ho amin’ny fampandrosoan’ny tanàna » hoy hatrany izy ireo.
Dokotera mpikambana ao amin’ny fikambanana Zarafa ihany no nanatanetraka ny fandidiana.
Nicole Rafalimananjara
