ActualitésTsidika

Teny Frantsay : Lasan’ny kaominina Anosy Avaratra ny amboara

Tontosa ny fizarana loka tamin’ny hetsika « Mini-championnat de Lecture en Français ». Ny kaominina Anosy Avaratra sy ny kaominina Ankadikely Ilafy no nandray anjara tamin’izany.

Marihina fa ny Bebesam Center sy ny Alliance Française no mikarakara ny hetsika. « Efa indroa nisesy izao no nahazo ny amboara foana ny kaominina Anosy Avaratra. Isaorana ny ben’ny tanàna rehetra nanohana hatrany ny hetsika ho fampiroboroboana ny teny vahiny » hoy ny avy ao amin’ny Bebesam Center. « Notolorana Medaly fankasitrahana ny ezaka nataony tamin’ny fiahiana sy ny fanohanana ny hetsika rehetra hatrizay ny ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra. Nahazo ny mari-pankasitrahana nohon’ny ireo fiaraha-miasa rehetra natao ihany koa ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra.

Ilaina tokoa ny mahay sy mahafehy ny teny Frantsay noho izy teny faharoa ampiasaina eto amintsika. Ny famakiana ny boky, ny fampiharana am-bava dia isan’ny manampy betsaka amin’izany.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire