Torohevitra: Mandoro tavy amin’ny voamadilo sy ny akondro
Olana lehibe, indrindra ho an’ny vehivavy, ny fisian’ny tavy miangona eo amin’ny faritra sasany amin’ny vatana. Antony maro no mety ahatonga an’izany fa ny tena ankapobeny dia ny tsy fahaizana mandanjalanja ny sakafo hohanina no mampisy ny tavy vetivety amin’ny vatana.
Tsotra ny fomba atao araka izany. Voalohany dia ny fandrindrana ny sakafo ohanina. Tsara raha voankazo no ohanina betsaka ao anatin’ny tontolo andro ary ahena ny fihinanana zavatra kiendiendy sy be menaka ary lafarinina.
Faharoa, ny fihinanana voamadilo. Ity vokatra iray ity dia anisan’ny manampy be ny vatana amin’ny fandorona ny tavy any anaty. Vokatra eny an-tsena izy amin’izao fotoana. Azo atao ny mihinana azy amin’izao raha mazaka ilay marikivy fa azo atao ihany koa ny manao ranomboamadilo, atao rano fisotro. Manapaka ny fahazoton-komana izany ka sady manena ny kibo.
Ary farany dia ny fihinanana akondro. Ny akondro dia manan-karena « antioxydants » ka araka izany, manala ireo poizina ratsy ao anatin’ny vatana izy. Mihinana akondro telo isan’andro, miaraka amin’ny sakafo voalanjalanja dia mety ahita vokatra vetivety.
Manita R.
