ActualitésTsidika

Fanatanjahantena : Mitohy efatra taona indray ny fitondran’i Sirteny Randrianasoloniaiko ny COM

Vita ny alahady teo tany Toliara ny fifidianana izay hitondra ny Comité Olympique Malgache ka mbola i Siteny Randrianasoloniaiko hatrany no voasafidy tamin’izany. Mitohy hatramin’ny 4 taona indray izany ny fe-potoana fitondrany. Tsy hisy ny fiovana fa toy ny teo aloha hatrany ny fomba fiasa izay ho fiarovana ny tombontsoan’ny Federasiaona tsy ankanavaka.

« Efa tsy nanana eritreritra ny hilatsaka ho fidiana intsony ny tenako saingy ireo federasiona no nanosika ahy ho amin’izany. Arakan y fanambaran’izy ireo moa dia mety ho latsaka an-kady ny fanatanjahan-tena malagasy raha hialako. Tsapako amin’izany fa efa napetraka tamiko ny fitokisana ka hanatanteraka ny asa ho tombontsoan’ny rehetra aho amin’ity fitondrana ity », hoy ny tenany tamin’ny fanehoan-kevitra.

« Nandritra ny fotoam-pitondrany nanomboka ny taona 2015 dia nisy fivoarana hatrany ny fantanjahan-tena olympika rehetra teto Madagasikara. Izany dia azonay lazaina fa avy amin’ny fitondrana tsara ihany koa ka izany no tsy nampisalasala anay nifidy indray azy. Malagasy ihany koa izy ka hinoanay fa tsy hitondra henatra ho amin’ny Comité Olympique Malgache izany », hoy ny solontenan’ireo Federasiona izay tonga nanatrika ny Assemblée Générale ny COM.

I Siteny Randrianasoloniaiko dia voasafidy ho filohan’ny Federasiona’ny Judo eto Madagasikara ary Filohan’ny Union Africaine de Judo ihany koa. Nitombo ihany koa noho izany ny adidiny amin’ny sehatry ny fanatanjahantena noho izao toerana vaovao azony izao indray. Nambarany ihany koa tamin’ny lahateniny fa tsy tokony hidiran’ny resaka politika intsony ity sehatra iray ity manomboka izao izay hirariana ny fahatanterahany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire