Dépêches

OMDA : Lany ho filohan’ny filan-kevi-pitantanana indray i Razafiarison Francis

Dépêche 08 juin, 13h, Isaky ny roa taona no hanovana ny biraon’ny filan-kevim-pitantanan’ny OMDA. Raha lany ny volana janoary teo ireo birao miandraikitra izany dia voasafidy fanindroany indray i Razafiarison Francis ho filoha. Ny tenany izay efa filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny OMDA ihany ny taona 2020 hatramin’ny 2022. Nisy ny fivorian’ny filan-kevi-pitantanana voalohany ka nolaniana tamin’izany ny tetibola ho an’ny fandaharanasa amin’ny taona 2023 sy ny « compte financier 2022 » ary ny « compte administratif 2022 », taorian’ny tatitra nataon’ny talen’ny OMDA, Rarivojaona Joelinirina Nomenasoa.

Laisser un commentaire