SocialTatitra

Chine : Olona am-polony tsy hita taorian’ny nisehoan’ny loza fihotsahan-tany tao atsimon’i Chine

Nisehoana fihotsahan-tany tao amin’ny faritanin’i Yunnan, any atsimo andrefan’i Chine, omaly alatsinainy, tokony ho tamin’ny 5:51 maraina (ora tany an-toerana). Olona miisa 47 no tsy hita popoka taorian’ny nitrangan’ny loza. Araka ny fikarohana nataon’ireo tomponandraikitra tany an-toerana, olona roa no namoy ny aina vokatr’izany. Hatramin’ny omaly ihany, manao ny ezaka rehetra ireo tomponandraikitra avy amin’ny fanjakana any an-toerana sy ny mpamonjy voina, manavotra ireo olona ary mikaroka ireo mety mbola tavela any ambanin’ny tany sy ny voatototry ny ranomandry. Manodidina ny 200 mahery eo ireo mponina efa nafindra toerana.

Laisser un commentaire