Dépêches

Antanambao Andranolava : Vita ny asa fanamboarana ny tetezana eo amin’ny PK498+480

22 Aogositra, 15h01, Efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivozana an’ny lalam-pirenena faha efatra, mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga. Vita soa aman-tsara ny fanamboarana ny tetezana eo amin’ny PK 498+480 Antanambao Andranolava.  Fanamboarana sy fanoloana ireo takela-by na “tabiers”  miisa valo no natao tamin’izany, eo ihany ny fametrahana andry na “appuis” teo amin’ity tetezana ity, izay fantatra fa ny fangalarana ireo takela-by sy andry amin’ity tetezana ity no anto’izany fahasimbana izany.

Laisser un commentaire