Malaisie : Lozam-pifamoivoizana “metro” tao Kuala Lumpur, nandratra olona 200 mahery
Fiaran-dalamby roa no nifandona ny alatsinainy 24 may teo. Ny iray izay nandeha tamin’ny lalan-tany nisy ilay iray ihany noho ny antony tsy fantatra. Mahery ny 200 ireo mpandeha naratra nandritra ity fifandonana tao Kuala Lumpur ity araka ny nambaran’ny polisy Malaisienne izay nidina teny na-toerana nisehoan’ny loza. “Nifandona ireo fiaran-dalamby ary nipitika nianjera tamin’ny tany ireo mpandeha noho ny dona mafy” araka ny nambaran’ny filohan’ny polisy, Mohamad Zainal Abdullah tany amin’ny faritry ny renivohitry Malaisie, tsy lavitra an’i Petronas. Ao anatin’ireo 200 maratra ireo, 47 no atahorana mafy ny ainy ary tena anaty fahasarotana hoy hatrany ireo polisy. Ilay fiaran-dalamby iray izay vao avy namboarina ary tsy nitondra mpandeha, nandeha tamin’ny ora tsy tokony andehanany noho ny antony tsy fantatra tamina lalan-tany izay nisy ilay fiaran-dalamby feno olona ka niteraka izao voina mahatsiravina izao. Nanao fanambarana mazava tsara tao amin’ny tambajotra sosialy facebook ny praiministra, Muhyiddin Yassinfa efa nanao fangatahana tamin’ny ministry ny fitanterana sy ireo mpikarakara ny metro ao Kuala Lumpur mba hanao fandihadiana lalina mba hahafantarana izay fototry ny loza.
