ActualitésTatitra

France : Mpanao Youtube misy manentana hanaratsy ilay vaksiny Pfizer-BioNTech

Dokam-barotra iray mizara vaovao tsy marina momba ny vaksiny BioNTech-Pfizer fanefitry no coronavirus no naparitaka mpanao horonantsary sy “influenceurs” frantsay maro tany amin’ny tambajotra sosialy. Ny alatsinainy 24 may teo, nahavoaray tolon-kevitra avy amina orinasa tsy mitonona anarana misehatra eo amin’ny resaka serasera iray ilay Youtubeur siantifika frantsay Léo Grasset fantatry ny maro amin’ny hoe Dirtybiology, izay nangataka azy mba hanaratsy ilay vaksiny vokarin’ny Pfizer amin’ny horonantsary, ny vola izay alaina any amin’ilay olona tsy fantatra anarana maniraka azy. Ankoatra ity mpirakira Youtube ity, mpanao rakitsary roa hafa koa no nanao fanambarana tao amin’ny Twitter fa naharay fanagatahana mitovy amin’ity izy ireo. Nohamasina tamin’izany hoe lazaina anatin’ny horonantsary izay ataon’izy ireo fa ny Pfizer no anisan’ny tena nahafaty olona maro, miaraka amina tarehimarika manaporofo ny maha-mampididoza ny vaksiny indrindra ny Pfizer. Mbola tsy hay haterto izay fototra niavian’ireto antontan’isa maro tonga tany amin’i Léo Grasset ireto. Lahatsoratra iray tao anatin’ireo nalefa tany amin’ilay youtubeur no nilaza fa niainga avy any amin’ny AstraZeneca izay voalaza fa nisy ni-“pirate” ny tapaky nny volana may teo ireto atontan’isa ireto. Fanambarana izy tsy misy porofo mazava hatreto.

Laisser un commentaire