Famoronana : Malaza amin’ny famoronana kodiaran-droa manana endrika hafakely i Rakala Xl
Fifamotoan’ny mpankafy kodiaran-droa (moto) ny fiantombohan’ny volana oktobra teo tao amin’ny Canal Olympia. Nahitana karazany maro izany ary samy nahazo izay nahafa-po azy ny tsirairay. Nampiseho ny fahaizany sy ny vokatry ny famoronany ihany koa i Rakala XL izay mpamily sady mpanamboatra kodiran-droa (Biker). Manana ny maha izy azy sy ny mampiavaka azy izy raha jerena ireo vokatra hafakely izay vitany.
« Efa hatry ny ela no tia moto, mahita ireo vokatra avy any ivelany dia mistiriritra hoe rahoviana no hisy aty amintsika ireny kanefa sady lafo. Tsy nisalasala aho nikaroka ziay fomba rehetra hananako ka nahatonga ahy namorona ny modely tiako fa tsy afa-po aho tamin’ireo nampanamboariko », hoy i Rakala Xl.
« Fitaovam-pitaterana iray manala fahasahiranana izy io indrindra fa eto Andrenivohitra. Kolontsaina tsara trandrahana izy ity. Hahafaahana mampiakatra ny lazan’ny Madagsikara ihany koa ka izay indrindra ny nanaomezako anarana Malagasy ity vokatro iray ity hoe “songomby”. Tsy moramora ny famolavolana azy fa rehareha foana ny mahavita zavatra afaka mifaninana amin’ny vokatra vahiny toy itony. Ny motera ihany no efa nisy tamin’izy io fa ny ankoatran’izay dia efa namboariko daholo », hoy hatrany ny fanazavana.
« Mahay zavatra ny Malagasy, tsara trandraha itony talenta itony. Efa maro ziany mpitia moto izany ka ilaina noho izany izao talenta tsara be izao », hoy i Miarina, mpankafy kodiaran-droa.
Ilaina fahaizana sy fahamailoana tanteraka ny fitondrana kodiaran-droa. Ilaina hatrany ny mitandrina sy mianatra ny fomba fanao raha te hiala amin’ny lozam-piafmoivoizana maro izay matetika ahitana kodiaran-droa hatrany.
Miora Raharisolo
