ActualitésTatitra

Haïti : Nitombo avo roa heny tao anatin’ny herinandro ny trangan’aretim-pivalanana

Tafiakatra 1972 ny trangan’aretim-pivalanana ao Haïti raha 964 isa izany ny herinandro lasa teo. Tafiakatra 41 kosa ny trangam-pahafatesana raha 33 ny antontan’isa nambaran’ny minisitrin’ny fahasalamana, Dr Alex Larsen ny 19 oktobra teo.

Ao amin’ny departemanta andrefan’ny firenena no tena ahitana taha ambony ny trangan’aretina hoy io tompon’andraikitra io, indrindra ao amin’ny renivohitra Port-au-Prince renivohitra Port-au-Prince izay ahitana tranga maherin’ny 800 isa. Nanamafy kosa ny mpitondra tenin’ny sekreteran’ny ONU, Stéphane Dujarric fa ny ankizy latsakin’ny 14 no tena maro an’isa amin’ireo tranga io.

Anisany antony mahatonga io firongatrin’ny aretim-pivalanana ao amin’ny firenena io ny tsy fahampian’ny solika ka tsy ahafahana mamokatra rano madio hoy ny Unicef. Manoloana izany dia nizara rano madio tamin’ny olona an’arivony tao amin’ny Cité Soleil izy ireo.

Laisser un commentaire