ActualitésTsidika

Talata volonondry : Rahampitso ny fotoana hiarahana amin’ireo mpanakanto malaza

Rahampitso sabotsy 29 ny volana oktobra, manomboka amin’ny 03 ora tolak’andro ny fotoana hifanomezana amin’ireo mpanakanto malaza toa andry Mr Sayda, DJ Yoann Loic, ny mpandihy Street Squad ary ry Trio II G5, amin’ny sehon-tsehatra goavana izay hatao amin’ny kianja malalaka FLM ambany andrefana, ao Talata Volonondry izany. Sehon-tsehatra goavana no hiseho mandritra io, ary efa vonona avokoa ireo fanentanana rehetra mahakasika izany.

« Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny mpikarakara ny seho amin’izao fotoana izao ary efa vonona tanteraka amin’ny fandraisana ireo mpijery sy mpankafy rehetra. Hanaovana fanentanana hatrany fa seho tsy hanam-paharoa izy io ary hisy ihany koa ireo karazana fanentanana samihafa mety hahazoana loka » hoy ireo mpikarakara ny hetsika.

« Ilaina ny fanohanana amin’ny hetsika tahaka izao satria samy malagasy. Manandratra ny kolontsaina malagasy ihany koa ka tokony omena lanja. Ny kolontsaina sy ny zava-kanto sady mampiala voly tokoa » hoy i Aina, mpankafy mozika.

Fotoana fialana voly no fanohanana ny mpanakanto malagasy ny seho tahaka izao. Azon’ny rehetra hatrehana ary afaka mifaly avokoa na ny mpianakavy na ny tapaka sy namana, izay tsiahivina hatrany fa tafiditra anaty fotoan’ny fialan-tsasatra ho an’ny mpianatra no faran’ny herinandro.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire