France : Vehivavy iray nandainga ho nisy homamiadana, nisoloky vola tamin’ny CPAM
Vehivavy iray 28 taona salama tsara no nandainga fa nitondra homamiadana tao Toulouse. Nividy fanafody indroa isan-kerinandro tao amin’ny toeram-pivarotana izany io vehivavy io, niaraka tamin’ny « carte vitale » (fiantohana ara-pahasalamana ao France).
Nanomboka niahiahy ny momba azy nefa ireo polisy ny CEG (Groupe d’enquêtes générales). Rehefa nanadihady izy ireo dia voamarina fa salama tsara tokoa io vehivavy io. Manoloana izany dia nitory azy ilay mpitsabo nosandohany tamin’ny « ordonnance », ilay toeram-pivarotana fanafody ary ny CPAM izay voasoloky 9 000 Euros (37 tapitrisa Ar), vidin’ny fanafody lanin’ilay vehivavy.
Nohadihadiana ny 24 oktobra teo io vehivavy nisoloky io. Tsy vaovao tamin’ny angon-drakitrin’ny polisy izy ary fantatra fa efa mpisoloky matihanina. Baiko avy any ambony kosa no tanterahin’io vehivavy io raha ny tatitra, mbola tsy fantatra ny nampiasa azy saingy ahian’ireo manam-pahefana ho « trafic » no ao ambadiky ny raharaha.
