Lasibatry ny fanafihana ny mpanao gazety
Nisy nanafika teny Andavamamba, lalana pavé nihazo an’Anosipatrana vao maraina ny mpanao gazety mpaka sary iray. Nikasa hamita iraka any Antsirabe izy ireo ary raha nijanona naka sisiny no nanatona ireto olon-dratsy ary namely avy hatrany ilay mpamily avy eo nivadika taoriana nanendaka ny volafotsy sy ny sakaosy teny amin’ilay mpanao gazety.
«Nikatona ny varavarana teto amiko ary teo amin’ny mpamily izy no niditra, nalainy ny volafotsy tety amin’ny tendako ary lasany koa ny sakaosy nisy fakan-tsary sy solosaina ary vola, tsy namelany ihany koa ny peratra volamena iray tety amin’ny tanako raha tsy azony ny iray hafa na dia efa niezaka nanala aza izy ireo» hoy ilay mpanao gazety. «Efa saika tapaka mihitsy ny tanan’ilay mpanao gazety tamin’ny saika nakana ilay peratra saingy niala ihany nony farany, izy voadaroka teo amin’ny firifany, izaho kosa novelesina tamin’ny vodibasy ny tampon-dahoko’ hoy kosa ilay mpamily.
«Mila mitandrina sy malina tsara amin’izao rehefa hivoaka ny trano satria tsy kely lalana ny ratsy ary mamely amin’ny tsy am-poizina, mety efa nanara-maso anie ireo jiolahy ary mahalala tsara ny zava-misy any amin’ireo lasibatra» hoy i Eveline, mponina eny amin’ny manodidina. Samy tsy nisy nisaron-tava ireto olon-dratsy ireto. Nametraka fitoriana ary noraisina an-tanana teo anivon’ny polisy Ilanivato ny fanadihadihana.
Fanafihana efa nomanina sa nahita ireto nijanona vao tapa-kevitra ny olon-dratsy ?
Nicole Rafalimananjara
