Sambo « Europa 2 » : Migadona ao Tolagnaro mitondra mpizaha tany aman-jatony
Dépêche 07 novembre, 14h, Taorian’ny fahatongavan’ilay sambo mpitondra mpizahatany antsoina hoe « spirit » tao Antsiranana dia nigadona ao Tolagnaro ao amin’ny seranan-tsambon’ny Ehoala ihany koa ity sambo iray antsoina hoe « Europa 2 » ity izay nitondra mpizahantany miisa 300. Endrika iray natao hampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara izany. Hitety ny faritra maro eto Madagasikara ireto mpizahatany ireto na eny an-dranomasina izany na an-tanety.
