ActualitésTsidika

Mahamasina : Toerana masina sy manan-kasina fahiny

Manana ny tantarany tokoa i Mahamasina. Tsiahivina fa eo ambany andrefan’ny vohitr’Antananarivo no nanorenana an’i Mahamasina. Ny antony dia amin’ny andrefan-trano na andrefan-tanàna hatrany no nanorenan’ny Ntaolo ny kianja na toerana malalaka filalaovana. Rehefa hariva mody masoandro efa avy niasa mantsy no mialavoly ny olona, ka ny andrefan-tanàna no mbola mazava tratry ny masoandro.

Eo amin’ny ilany avaratra amin’ny kianjan’i Mahamasina no misy ny vatomasina fanasinana ireo Mpanjakan’i Madagasikara tamin’ny taonjato faha-19. Amin’ny avaratra satria teo amin’ny kolontsaina merina dia ny avaratra no toerana natokana ho an’ny olona ambony manan-kaja na manam-pahefana teo amin’ny fiaraha-monina. Iizany indrindra no atao hoe avara-patana. Ny avaratra koa no fisandratana ka raha mamafa trano ny Ntaolo dia tsy mamafa mianavaratra. Amin’ny tendrombohitra 12 masina sasany dia mbola eo amin’ny lafiny avaratra no misy ny vatomasina fikabarian’ny Mpanjaka toy ny ao anaty rovan’Antsahadinta. Ao amin’ny lapa Mahandrihono ao Ambohimanga dia eo amin’ny andry avaratra no misy ny ankalana fitoeran’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina. Ary raha milahatra ny fasan’ny mpanjaka maro dia ny fasan’izay mpanjaka farany sy nanana fahefana indrindra no amin’ny avaratra indrindra.

Teo amin’ny kolontsaina Merina ihany dia ny Raiamandreny efa be taona na loholona no apetraka eo antsinanana. Ny mpanompo no apetraka eo atsimo ary ny vahoaka no apetraka eo andrefana. Ao amin’ny kianja Mahamasina anefa, rehefa nanao ireo gradin sy tribune ny mpanjanatany dia nataony eo amin’ny ilany andrefan’ny kianja (mifampitazana amin’ny rovan’Antananarivo) ny toerana voatokana ho an’ireo manam-pahefana sy manan-kaja. Tsy mbola niova izany mandrak’ankehitriny. Mbola manana ny hasina ve i Mahamasina amin’izao ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire