Dépêches

Fisotroan-dronono : Fandaminana volana Jolay 2022

06 Jolay, 17h00, Eny amin’ny Paierie Générale d’Antananarivo (PGA)  sy ny Recette Générale d’Antananarivo  (RGA) eo Antaninarenina ny toeram-pandraisana « pension » amin’ity volana Jolay ity.

Ny miafara amin’ny 0- 1- 2- 3- 4 : Ny Alatsinainy 11 Jolay no mandray

Ny miafara amin’ny 5- 6- 7-8-9: Ny Talata 12 Jolay no mandray

Ny miafara amin’ny A- B- C- D : Ny Alarobia 13 Jolay no mandray

Manomboka ny Alakamisy 14  Jolay kosa no mandray ireo izay mitondra « procuration » sy ireo taraiky.

Eny amin’ireo fandraisana hafa kosa dia ao amin’ny Trésorerie Municipale d’Antananarivo (TMA), Trésorerie Ministérielle chargée de la Fonction publique (TMINFOP), Trésorerie Principale Inter-communale (TPIC), Perceptions Principales (PP):

Ny miafara amin’ny 0- 1- 2 : Ny Alatsinainy 11 Jolay no mandray

Ny miafara amin’ny 3-4-5:  Ny Talata 12 Jolay no mandray

Ny miafara amin’ny 6-7-8-9 : Ny Alarobia 13 Jolay no mandray

Ny miafara amin’ny A-B-C-D: Ny Alakamisy 14 Jolay no mandray

Manomboka ny Zoma 15 Jolay kosa no mandray ireo izay mitondra « procuration » sy ireo taraiky. Marihina fa aorian’io tetiandro io dia afaka alaina amin’ny fotoana rehetra ny « pension » ho an’ireo izay tsy nahazo izany tamin’ny andro voatondro handraisany ny fisotroan-drononony.

Laisser un commentaire