Dépêches

Faritra menabe : Hiverina ny famokarana siramamy

06 Jolay, 16h00, Hiverina hamokatra siramamy indray ny ao amin’ny faritra Menabe taorian’ny fijanonan’ny fiasan’ny orinasa Siranala noho ny fahapotehan’ny milina rehetra vokatry ny fitokonan’ny mpiasa ny taona 2015.  Niala teto Madagasikara ny mpampiasa vola avy ao Chine taorian’izany izay nanofa ny ozinina tamin’ny fanjakana malagasy sy nampiodina ny famokarana.

Orinasa SDM (Sucrerie De Madagascar) kosa no fantatra fa handray an-tanana ny famokarana siramamy ao amin’ny faritra indray. Ny orinasa Siranala ihany no hiandraikitra ny fambolena sy ny akora ilaina, raha orinasa vaovao kosa no hiandraikitra ny famokarana.

Laisser un commentaire