Dépêches

Ambatolampy : Dahalo miisa 15 voasambotra

23 Febroary, 11h00. Nahazo vaovao mahakasika ny halatr’omby ny kaompanian’ny zandarimaria Ambatolampy. Nanao  vela-pandrika izy ireo ka nahatratra ny dahalo 10 avy tao amin’ny kaominina Andranomiely distrika Arivonimamo, Bongavato distrika Arivonimamo sy Betafo. Ezaka nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fiaraha-miasan’ny tantsaha no nahazoana ny vokatra. Marihina fa hita niaraka tamin’ireo dahalo ireo ihany kosa ny omby sasany ka afaka manantona ny zandary izay tompon’izany.

Laisser un commentaire