ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mpangalatra iray tratran’ny fokonolona

Lehilahy iray no tratran’ny fokonolona tao amin’ny kaominina Ambohimangakely rehefa nikasa hanao ny asa ratsiny ny marainan’ny alahady teo. Nikasa ny hangalatra, hanao hala-botry tao amin’ny tokatrano iray tao an-toerana ity mpangalatra ity, raha ny voalaza.

 » Tokony tamin’ny 05ora maraina latsaka teo ho eo no tratran’ny fokonolona ity lehilahy ity rehefa avy nifanenjehana avy any. Niditra tanaty fefin’olna, nikasa hanao hala-botry izy » hoy ireo nanatri-maso ny zava-nitranga.

 » Efa tena efa ela no niaina tanaty tsy fandriam-pahalemana ny mponina ary tsy mandry saina na andro na alina amin’ny asa ratsy tahaka izao. Zava-dehibe mihitsy ny fanehoana firaisan-kina hahafahana manenjika sy manafay ireo mpanao ratsy tahaka izao » hoy i Rolland, mponina ao Ambohimangakely.

Anisan’ny mampitaraina ny mponina ao Ambohimangakely sy ny manodidina ny tsy fahandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao. Miezaka manao hetsika avokoa araka izany ireo mponina sy tomponandraikitra enti-miady amin’izany. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana kosa  ity lehilahy tratra ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire