Dépêches

Toetry ny andro : Miadana ny fivoaran’ilay rivo-doza

07 Martsa, 09h30. Raha ny tatitry ny Météo France androany maraina dia niadana ny fivoaran’ilay andro ratsy mandrona an’i Madagasikara ahatahorana hivadika rivo-doza. Tombatombanan’izy ireo ho tsy mbola mahatratra ny fepetra maha « tempête tropicale modérée » azy izany ny talata sy ny alarobia izao. Mbola tsy voarafitra mazava kosa hoy ity sampana ny toetry ny andro ity ny diany sy ny tanjany. Vinavinana hiditra an’i Madagasikara  amin’ny fotoana tsy voafaritra eo amnin’ny dingana maha « tempête tropicale modérée » azy nefa izy ary hitondra rivotra  63 hatramin’ny 88km/ora.

Tamin’ny telo ora maraina teo kosa dia rivotra 45km/ora sy tafiotra 65km/ora no nentiny ary tany amin’ny 390km atsinanan’ny Cap Masoala no nisy azy ny alahady hariva teo. 

Laisser un commentaire