Dépêches

Toamasina: Mahaliana ny olona ny fitsidihana ny moron-dranomasina nohavaozina.

Dépêche 10 octobre, 11h15, Araka ny fanambarana izay nataon’ny Filoham-pirenenena dia ho avaozina iny sisin-dranomasinan’ny Toamasina iny ka havadika ho toy ny moron-dranomasina any Miami. Vao ny ampahany no vita hatreto dia efa mahasarika olona maro be sahady ity toerana ity satria dia mahafinaritra ny fitazanana azy. Madio sy milamina ary feno ny fialamboly azo atao eo aminy. Izao foto-drafitrasa vita izao moa dia natao ho sitrahan’ny vahoaka Malagasy rehetra eny fa na ireo taranaka aza izany. Entanina noho izany ny rehetra mampiasa mba hanaja izany fa soa iombonana izy io.

Laisser un commentaire