Amérique centrale : Tatera-pahazavana ny elatry ny « greta oto »
Karazana lolo kely « lépidoptères » ny « greta oto » ary ao amin’ny fianakavian’ny « Nymphalidae ». Ao Amérique centrale no tena ahitana azy, miainga ao Mexique hatrany Panama.
Miavaka amin’ny elany tateram-pahazavana na (transparent) ny (greta oto). Mifery eo amin’ny 5,6 hatramin’ny 6,1 eo izy io eo amin’ny fotoana mahalehibe azy. Menamena na volomparasy misy tsipitsipika ny lokon’ny fandain’io lolo io. Mihinana poizina ary mitahiry « alcaloïde » zava-maniry izy ireo rehefa mbola amin’io endrika io mba ahafahany manohitra ireo mpanafika toy ny vorona.
Mitroka ny vovobon’ny voninkazo toy ny « lantana » kosa io karazana lolo io saingy manatody amin’ny voninkazo tropikaly misy poizina toy ny Cestrum nocturnum.
