ActualitésTsidika

Ambanja: Mitohy ny hetsika famongorana ny zava-mahadomelina

Ny firongatry ny fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika ao Ambanja sy noho ity toerana ity malaza amin’ny famatsiana rongony ho an’ny faritra maro no antony haanovana izao hetsika famongorana izao.

Nidina tany an-toerana niaraka tamin’ireo zandary 15 nentiny ny lefitry ny vondrotobi-paritra Ambilobe ary nogiazana ireo rongony izay tratra tao an-toerana.

“Ny tena antony nidinanay tany an-toerana tamin’io fotoana io dia hanao savahao ilay faritra, hanao velapandrika ireo mpanao afera ny rongony, hazo sarobidy, biby arovana anatin’io ala io, hamotika ireo voly rongony, hisambotra ireo mpanao ratsy ary hogiazana zay vokatra azon’ireo”,hoy i Lietna NJAKANDRABABANY Jeodard, lefitry ny vondrotobi-paritra Ambilobe. Vokatr’izany dia mpamboly sy mpanondrana rongony miisa 5 voasambotra ary rongony milanja 375 kilao no nogiazana ary saha mirefy 8ha eo ho eo no nodorana avy hatrany.

“Zava-maniry toy ny zava-maniry rehetra ihany ity rongony ity, raha manao fikarohana mety hahita ny voka-tsoa entiny ihany. Izaho akory tsy miteny hoe afaka fohana io fa mila atao ihany ny fikarohana momba azy io. Sady tsy dia tena io no miteraka tsy dandriam-pahalemana eto”, hoy i Rojotiana, mpianatra eny amùin’ny anjery manontolo.

Mitohy ny hetsika famongorana ny zava-mahadomelina. Tsy mahomby anefa izany raha tsy ampiana ary atao mafy be ny fanentanana ireo mpanjifa mba hijanona sy hiala amin’io. Etsy ankilany anefa tokony omena fanampiana ireo izay manao fikarohana momba azy io.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire