ActualitésSocialTsidika

Ambohimangakely: Lehilahy iray hita niantona teny Tsarahasina

Lehilahy iray no hita efa tsy nisy aina intsony, teny Tsaramasoandro, fokontany Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely, ny talata folak’andro teo. Araka ny voalaza, nananton-tena ity lehilahy ity.

“Nidina teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera miasa ao amin’ny CSB II Ambohimangakely nanao ny fizahana ny razana. Tovolahy nifatotra tamin’ny tady ny loha tendany ary nihantona ambony hazo (manga). Nahenoana fofon-toaka ny vavany ary mangana nisy dian-tady ny tendany” hoy ireo tomponandraikitra teny an-toerana.

“Nalaza ny resaka famononan-tena tato ho ato ary matetika dia tanora no tena manao izany. Maro be ireo antony mety mahatonga izany safidy izany, manoloana ireo trangam-piainana sy olana sedraina amin’izao fotoana kanefa anisan’ny hevitra diso ihany izany. Rehefa misy ny olana dia misy ihany koa ny vahaolana mifanaraka amin’izany ka tokony miezaka ny tsirairay. Rehefa tena tsy zaka ny adin-tsaina dia misy ireo olona voatokana toy ny psychologue na eny amin’ny fiaraha-monina azo hizarana sy hiresahana ny manjo fa tsy voatery ny famonoan-tena no vahaolana” hoy i Maeva, mpianatra psychologie.

Tovolahy 29 taona, miaramila voaroaka tao aminy Régiment d’Artillerie Lourde (RAL) ao Imerintsiatosika moa ity hita faty ity ary manam-bady aman-janaka miisa 02; monina ao Tsaramasoandro. Araka ny voalaza hatrany dia noho ny fifamaliana teo aminy sy ny vadiny, momba ny vola nividianan’ity farany toaka, raha tokony hividianana sakafo izany. Misokatra kosa ny fanadihadiana ataon’ny zandarimaria.

Manitra R.

Laisser un commentaire