ActualitésTatitra

Etats-Unis : Renim-pianakaviana iray no namono ny zanany roa

Nisaraka tamin’ny vadiny i Brandy Hutchins ary, lasan’io vadiny io ny fiazonana (garde) ny zanak’izy ireo mianadahy. Ny herinandro lasa teo io renim-pianakaviana no nahazo baiko tamin’ny mpitsara mba hanatitra ireo ankizy tany amin’ny rainy, saingy nivily lalana ilay renim-pianakaviana.

Hita faty ny faran’ny herianndro teo, tao anaty « mobile-home » iray tao Lake Wales, atsimon’i Orlando tao Floride, izy telo mianaka. Raha ny fanazavana dia notifirin’i Brandy Hutchins tamin’ny basy ny zanany talohan’ny namonoiny tena. Nomarihin’ny shérif kosa f tsy nisy endrika herisetra nandritra ny fitsarana manoloana ny fiazonana ny ankizy, ary tsy nisy endrika tsy fahasalaman-tsaina ilay renim-pianakaviana.

Laisser un commentaire