ActualitésTsidika

CSP8 Analamahitsy : Jiolahy voatifitra tetsy Manjakaray Sady efa nigadra teny Antanimora no mbola mpamerin-keloka

Mirongatra amin’izao fotoana ny asan-jiolahy. Ary tsy mifidy olona mihitsy ireo mpanao ratsy, fa na kely na lehibe dia ampijaliany avokoa. Isan’ireo jiolahy fantatra fa mampitondrana faisana ity lehilahy voatifitra ity. »Ity jiolahy ity no anisan’ny nandratra mafy ilay Ramatoa izay voaendaka tetsy Anjanahary, herinandro vitsy lasa izay. Mbola izy ihany koa no anisan’ireo nanao fanafihana mitam-piadiana tetsy sabotsy Namehana ary namoizana olon-tsotra iray » hoy ny polisim-pirenena. « Tena efa ratsy mihitsy izao fiainana izao ka samia mitandrina daholo, ny ratsy tsy kely lalana velively » hoy i Tovo, mponina ao Analamahitsy. Lavon’ny balan’ny Polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahavalo izy rehefa vaosambotra ary saika hanohatra haka ny fitaovam-piadiana noentin’ireo mpitandron’ny filaminana indray. Marihina fa sady mpamerin-keloka no efa voafonja teny antanimora ity lehilahy tsy mataho-tody ity.Mitohy ny fisafoana andro aman’alina ataon’ny Polisim-pirenena na any anaty tanàna izany na eny amin’ny faritra be olona ho fiarovana sy fanampiana ny vahoaka. Noho ny fahasarotan’ny fiainana izany ve no antony mahatonga ny olona hanao asa ratsy, herisetra, vono olona ?

Murielle Andrianasoloniaina

Laisser un commentaire