ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Efa manomboka ny asa fanamboarana amin’ny “Projet Train urbain” ao an-toerana”

Ao anatin’ny fanatanterahana ilay tetik’asa “Train urbain” amin’izao fotoana izao, efa manomboka ny fanamboarana sy ny fametrahana ireo fitaovana isan-karazany manoloana ny gara ao Ambohimanambola ankehitriny. Raha ny voalaza, tsy maintsy misy ny fanavaozana sy ny fanatsarana atao ho fanatanterahana izany tetik’asa izany.

“Ny orinasa Somatrafer no miandraikitra izao fanamboarana izao ho fiomanana amin’ilay projet Train urbain. Natao indrindra izao ho fanavaoazana ny tranon’ny gara sy hamorona lalamby vaovao hametrahana ireo fiaran-dalamby vaovao sy handraisana ireo ekipa hafa” hoy I Herintsaina, tomponandraikitra mpitarika ny asa ao an-toerana.

“Anisan’ny zava-baovao, nanaitra tokoa ny fahitana ireo fitaovana isan-karazany tety an-toerana. Tsy dia fahita firy ny tahaka izao kanefa tena ilaina be ho an’ny fampivoarana sy ny fampandrosoana” hoy I Haingo, mponina ao Ambohimanambola.

Anisan’ny miteraka fampandrosoana sy hanome endrika vaovao ho an’ny tanàn’Ambohimanambola izao fanavaozana sy fanamboarana izao. Haharitra iray volana moa ity fanamboarana ity, raha ny fanazavana nomen’ireo tomponandraikitra hatrany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire