ActualitésTsidika

Foto-drafitr’asa : Hatao asa maika ny fanarenana ny toeram-ponenan’ny mpianatra eny Vontovorona

Ny volana janoary teo no nisy fahamaizana ny trano fonenan’ireo mpianatra ao Vontovorona vokatry ny fikorontanan’ny herinaratra. Miisa 168 ireo mpianatra no traboina tamin’izany ka napetraka amin’ny toerana vonjimaika amin’izao fotoana izao. Hatao asa maika araka izany ny fanarenana io trano hahafahan’ireo mpianatra indray miverina amin’ny laoniny.

« Laharam-pahamehana hatrany ny soa ho an’ny mpianatra. Raisina ho asa maika tsy maintsy hatao araka izany ny fanamboarana io trano io satria lasa tsy afaka mianatra araka ny tokony ho izy ireo mpianatra fa miafiafy amin’ny activités afaka atao », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana Siantifika.

« Hotolorana teti-bola fanampiny ihany koa ny Ministera hahafahana manatanteraka ny asa ara-potoana sy hahafahana mahavita izany asa izany haingana. Sarobidy ary tena maika ity asa ity ka tsy maintsy natao izao famoahana teti-bola izao », hoy ny avy ao amin’ny Fitondram-panjakana miandraikitra izany.

Efa ela no niandrasan’ny mpianatra izany hetsika sy asa izany ka tanteraka izany izao. Hahafahan’ny mpianatra mianatra araka ny tokony ho izy indray moa ity fanarenana ity kanefa raha mbola misy ireo malala-tanana ho an’ireo mpianatra ireo dia mbola ilaina hatrany izany.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire