CAF : Nihena ny sazy azon’ny filoha Ahmad.
Fantatry ny Malagasy maro ny olana nisy teo amin’ny filohan’ny Conféderation Africain du Football na any CAF, izay teratany Malagasy. Tsy nitsahatra nanaraka ny vaovao mahakasika azy ny teto amin’ny firenena noho izay zo fototra hanany amin’ny maha gasy azy izay. Ankoatra izany, ny firenena afrikanina iray manontolo nohon’ny maha filoha azy. Maro ny fanehoan-kevitra mahakasika azy na teto Madagasikara na ny tany ivelany. Anisan’ny nanome sazy azy ny eo anivon’ny Federation Internationale de Football Association na ny FIFA. Tafiditra tao anatin’izany ny fandraràna azy tsy hikitika intsony na handray anjara amin’ny sehatry ny baolina kitra mandritan’ny 5 taona. Tsy nitaza-potsiny ihany koa anefa ny teo anivon’ny Tribunal Arbitral du sport teto Afrika, fa niditra an-tsehatra namahany olana. Ny TAS izay manao fanadihadihana manokana rehefa misy ny trangan-javatra tahaka izao. Nandritra izany indrindra no namoahan’izy ireo filazana fa tsy azon’ny Ahmad atao ny miditra amin’ny sehatry ny baolina kitra mandritran’ny 2 taona, tsy afaka milatsaka ho filoha vaovao hofidiana ihany koa izy. Ankoatra izany, voatery handoha lamandy 45 000 Euros na vola mitentina 180 tapitrisa ariary izy. Anisany vesatra hanenjehana azy raha tsiahivina ny fampiasana sy fanekena ny lalambola ho amin’ny tombotsoa hafa. Hita kosa anefa fa nihamaivana kokoa ny sazy azon’ny filohan’ny CAF raha miohatra ny sazy napetraky ny FIFA. Na eo aza anefa izany rehetra izany, tsy manakana an’i Ahmad tsy hitia ny Baolina kitra ny sazy azony. Faniriana ny hiverenany indray eo amin’izany sehatra izany. Ny vahoaka Malagasy ihany koa etsy ankilany tsy maneho ny heviny loatra mahakasika ity raharaha ity. Midika izany fa mbola azo hantenaina ny ho avin’ny baolina kitra ho an’ity filohan’ny CAF ity.
Fanilo Rarivoarilala
