ActualitésTsidika

Mpandraraha ny fonja : Mandray mpianatra indray

Mitàna andraikitra lehibe ny mpandraraha ny fonja eo amin’ny fanatanterahana ny asany. Sampan-draharaha anisany mila manao ezaka lehibe amin’ny ady amin’ny kolikoly. Mifandray tanteraka amin’ireo olona voaheloka mantsy izy ireo. Mila olona mahatoky sy azo antoka arak’izany izy ireny. Ity sampana ity izay tsy mitsahatra manome fihofanana ho an’ireo tanora te hisehatra eo anivon’izany. Mila ezaka anefa ny fanatanterahana ny asan’izy ireny. Tsy zoviana amin’ny olom-pirenena intsony ny zava-miseho hita matetika eto Madagasikara. Raha tsy hilaza afatsy ny fitsoahana gadra maro avy any amin’ny fonja ka lasa manohy ny asa ratsiny indray aveo. Misy amin’ireny gadra tafatsoaka ireny no “mety” miray tsikombakomba amin’ny mpiandry ny fonja, sy ny mpiandraikitra hafa ao an-toerana. Manoloana izany indrindra no tokony hitaomana ny sain’ny mpiofana vaovao eo amin’ity sehatra ity mba hitandrina tsara manoloana ny fanatanterahana ny asany. Mandray mpiofana vaovao indray ny eny anivon’ity sampan’ny fonja amin’izao fotoana. Hotontosaina ny 13 ka hatramin’ny 15 Martsa ho avy izao ny fanadinana hidirana amin’izany. Afaka manantona ireo ivon-toeram-paritry ny sekoly araka izany ireo nisoratra anarana mba hijery ny anarany. Tsiahivina fa mpianatra hatrany amin’ny 500 isa no ilaina hanatevin-daharana hanampy indray ireo mpandraraha ny fonja hatramin’izay.

Fanilo Rarivorilala

Laisser un commentaire