Nigéria : Vita vaksiny fanoherana ny coronavirus ny filoha Buhari
Nahazo ny vaksiny voalohany entina manohitra ny valanaretina coronavirus ny filoha nigerien Muhammadu Buhari ny sabotsy 06 martsa maraina tao Abuja. Tsy niandry ela ity filoham-pirenena ity fa iray andro taorian’ny nanombohan’ny fampielezan-kevitra ho an’ny fanaovam-baksiny ihany no nanaovany izany. « Nahazo ny tsindrona voalohany androany aho mba hampisehoako ny fatokisako ny fiarovana sy ny fahombiazan’ireto vakisiny ireto. Miangavy ny Nigerien rehetra aho mba hanao toy izany koa, mba hiarovana antsika amin’ity valanaretina ity, » hoy i Buhari tao anaty fanambarana iray. Nanao vaksiny io andro io ihany koa ny filoha lefitra Yemi Osimbajo. Tao amin’ny lapan’ny filoham-pirenena no nanaovana izany ary nalefa tamin’ny fahitalavitra tany an-toerana. Nahazo vaksiny efa ho 4 tapitrisa i Nigeria ny talata 02 martsa lasa teo, novatsian’ny fitaovana Covax. Tian’i governemanta ao an-toerana ny hanao vaksiny farafaharatsiny ny 70% n’ireo mponina ao aminy, mihoatra ny 18 taona, ao anatin’ny roa taona ho avy. Mety mbola hanano sarotra anefa izany hoy ny filoha fa fanamby mipetraka io. Miisa 158.042 ireo tra-boina vokatry ny valanaretina Covid-19 ao Nigeria raha ny antontan’isa nivoaka ny sabotsy 06 martsa teo. Anisan’izany ny fahafatesan’ny olona miisa 1.954. Nambara anefa fa tsy tena marina ireo antontan’isa ireo noho ny tsy fahampian’ny olona notiliana raha miohatra amin’ny mponina ao an-toerana.
