SocialTatitra

Finlande : Rakotra ala ny 65% amin’ny velaran-tany.

Ala avokoa ny 65% amin’ny velaran-tany any Finlande. Kesika, sapin ary «bouleaux» no mandrako ny ankahamaron’ny velaran-tany, antony maha firenena vitsy mponina azy indrindra ao amin’ny vondrona européen, izay miisa 5,5 tapitrisa.

Ny renivohitra Helsinki fotsiny dia efa manana faritra rakotra ala goavana, izay napetraka ho valan-javaboahary ny ankahamarony. Misy karazam-biby sy zava-maniry 42 000 ao an-toerana, biby mampinono ny 65 amin’ireo.

Malalaka ny fidirana ao amin’ireo ala ao Finlande, mahazo mioty, mihaza ary manjono avokoa ny rehetra araka ny fahafahana efa napetrak’izy ireo na ny “droit d’accès à la nature”. 6% isan-jaton’ny mponina ao Finlande no efa manana fahazoan-dàlana mihaza. Mankasitra tanteraka ireo toerana voajanahary ireo ny Finlandais.

Laisser un commentaire