SocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Niakatra ny isan’ny mpandoa hetra

Nisy ny tatitra nataon’ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy mikasika ny fivoaran’ny isan’ny mpandoa hetra tao anatin’ny telo taona nisesy farany. Hivoaka tsy ho ela rahateo ny taratasin-ketra 2021.

« Tsapa ny fiakaran’ny isan’ireo mpandoa hetra. Hoheverina hatrany ny hanatsarana izany mba ahafahana manantanteraka antsakany sy andavany ireo tamberinandraikitra sy ny tolotra ary ny fampandrosoana eto amin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy ho tombotsoan’ny besinimaro » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Misaotra sy mankasitraka ireo nahefa ny hetrany. Manentana hatrany kosa ireo izay tsy mbola nahavita ny adidiny mba handoa ny anjarany ao anatin’ny fotoana fohy. Izany dia hialàna amin’ny vesatry ny fitambaran’izany ao aoriana » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.

Tsara raha manatona ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina hatrany raha misy fanontaniana mikasika ny fanefana ny hetra. Adidin’ny tsirairay mantsy ny fandoavan-ketra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire