SocialTatitra

Liban : Sahirana amin’ny fiatrehana ny volan’ny Ramandan ny mponina

Mbola ao anatin’ny firodanana ara-toe-karena lalina ny firenena ao Liban sy ny mponina ao aminy ankehitriny. Tsy manana fahefa-mividy ambony loatra tahaka ny tamin’ny fotoana tsy mbola nisian’ny krizy intsony ny mponina ankehitriny. Mihena tanteraka ihany ny koa ny lanjam-bola any an-toerana ka tsy maharaka intsony ny mponina. Na ny fiatrehana ny volan’ny ramadany aza ankehitriny manahirana ny olona. Tsy afaka manao toy ny teo aloha intsony izy ireo, izay mahampy ny vola amin’ny fividianana sakafo sisa no hatao. Misy anefa ireo sakafo tokony hohanina mialohan’ny fanaovana Ramadan saingy tsy maharaka ny vola hoy ny mponina iray tao Liban. Nilaza ihany koa ny mponina any an-toerana fa tsy misy intsony ny fandraisana andraikitra hataon’ny fanjakana manoloana izany fahasahiranana ihainan’ny mponina izany.

Laisser un commentaire