ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: MIhamaro isa ireo mpivarotra, mihatery ny lalana

Mitaraina ireo mponina sy mpampiasa lalana ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana amin’izao fotoana izao, noho ny fahamaroan’ny mpivarotra ao an-toerana. Anisan’ny mibahana ny arabe, ary manery ny lalana ireo mpivarotra, araka ny voalaza.

“Hita tokoa ary tsapa ny fitarainana manoloana ny olana aterak’ireo mpivarotra amin’ny arabe, saingy iaraha-mahalala ny fahasahiranana hiainan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao. sahirana ny mponina, mahantra ka io no fitadiavam-bola hitany sy haingana. Ny olana sedrain’ny kaominina manolona izany dia ny tsy fananana toerana afaka amindrana azy ireo, efa misy kosa ny fikaroham-bahaolana entina amahana izany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Ao anaty tsy fanarahan-dalana no hivarotan’ireo mpivarotra ireo. Lasa miteraka olana sy mahatonga ny gabororaka ary fialana tsiny eto amintsika ny fahantrana sy ny tsy fisiana. Anjaran’ny tomponandraikitra anefa no mametraka lamina ary mitady hevitra manoloana izany satria anisan’ny mitondra mankany amin’ny fahantrana ny tsy fisian’ny fanarahan-dalàna” hoy i Lalaina, mpianatra lalàna.

Araka ny voalaza hatrany, anisan’ny voakotaba  noho ny fisian’ireo mpivarotra ireto ny sekoly manodidina, feno fako ihany koa ny arabe, tsy misy intsony ny lalana hivezivezen’ny fiara. Miandry vahaolana araka izany ny rehetra.

Laisser un commentaire