Fitaterana: Hampidirina ho isan’ny seranampiara-manidina iraisam-pirenena ny ao Toliara
Efa mandeha amin’ny asa fampidirana ity seranampiara-manidina ity ho isan’ireo iraisam-pirenena ny ADEMA sy ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Noho ny filàna ara-toekarena sy ara-pitadiavana no tena antony lehibe hanatanterahana izany asa izany.
“Ny mahazava-dehibe ny fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny faritra atsimo dia ilaina ny fanokafana ity seranam-piaramanidina ao Toliara ity ho afaka ampiasaina iraisam-pirenena. Miantoka ny ho avy tsara ho an’ny sehatry ny habakabaka sy ny fizahantany izany fisokafana izany ka izay idnrindra no antony lehibe”, hoy ny avya o amin’ny Ministeran’ny Fitaterana.
Marihina fa misy dingana miisa dimy vao tonga amin’izany fisokafana iraisam-pirenena izany ny seranana iray. Ny efa tontosa tamin’izany dia ny fanamboarana ny fefy ho fiarovana ny seranam-piaramanidina, manaraka izany ny fanamboarana ny hangar hiantohana ny manodidina ny afo. Manaraka izany ny fampanarahana ny lentan’ny fenitra ilaina ho an’ny SSLI ary ny fanamboarana lalana fidirana eo amin’ny hangar mankany amin’ny fiaramanidina.
“Nanomboka ny taona 2019 no efa nanomboka izany asa izany ny ADEMA ka efa eo amin’ny dingana fahatelo izao ny asa ary efa hatramin’ny 80% no efa vita. Izany hoe ny fandaminana ny tany (terrassement) eo amin’ny lalana fiaingan’ny fiaramanidina sisa no mila vitaina amin’izao fotoana izao”, hoy ny tompon’andraikitry ny asa.
Samy manana ny mahazava-dehibe azy ny faritra tsirairay ka mila trandrahina izany mba ho tombontsoan’ny rehetra. Toy ny fizahantany any amin’ny faritanin’ny Toliara iny dia manana ny anjarany tokony hampiroboroboana avokoa ny faritra tsirairay. Tsy mila miandry ireo tompon’andraikim-panjakana anefa izany fa afaka tanterahina hatrany amin’ny fitrandrahana ny fahaiza-manaon’ny tsirairay.
Miora Raharisolo
