ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Vita ny asa fanavaozana ny EPP Ambohitrarahaba

Notanterahana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa vaovao tao amin’ny EPP Ambohitrarahaba, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Tao anatin’izany ihany koa, nisy ny asa fanavaozana sy fanatsarana ny tranon’ny talen-tsekoly sy ireo simba tao an-toerana hatrany, araka ny voalaza.

« Efitrano fandroana miisa dimy (5) misy rano mafana mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro no notokanana teto amin’ny EPP Ambohitrarahaba. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny asa fanavaozana ny trano fonenan’ny talen-tsekoly sy fanamboarana ireo simba rehetra eto amin’ny sekoly, fanamafisana ny tamboho sy ny vavahady ho fiarovana ny sekoly ary fametrahana jiro lehibe mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa efatra (4) teto an-toerana » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Izao foto-drafitr’asa sy asa fanavaozana izao moa no vita dia noho ny fiaraha-miasa sy fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka, dia ny fikambanana Reinionezy (Les amis de l’EPP Ambohitrarahaba) sy ny Rotary de Moulins-Yzeure, izay efa naharitra 23 taona mahery izao » hoy hatrany ny fanazavana.

Nandritra izany lanonana fitokanana izany ihany koa moa no nanolorana fankasitrahana ireo mpianatra tsara naoty indrindra afaka ny fanadinana CEPE tao amin’ny sekoly ary nizarana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra rehetra.

Manitra R.

Laisser un commentaire