Dépêches

Fifidianana filoham-pirenena: Anio no fisarihana ny filaharan’ny kandida

11 Septembre 2023, 08h52; Anio alatsinainy 11 septambra 2023 no ho fantatra ny filaharan’ireo kandida ho filoham-pirenena ao anatin’ny bileta tokana. Hanomboka izao maraina izao izany hatsapaka izany, izay atao eny amin’ny foiben’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI). Ny laharana voasarika mandritra izany koa no handrindrana ny fisesin’ny petadrindrin’ny kandida tsirairay amin’ny takelaka natokana ho an’izany manerana ny Nosy sy ny fidirana amin’ny sehatra maimaimpoana amin’ny haino aman-jerim-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra.

Laisser un commentaire