ActualitésTsidika

Alasora : Fiara lehibe iray no nivadika teo amin’ny « rond point » Amoronakona ByPass

Fiara lehibe iray no nivadika tao amin’ny « rond point » Amoronakona ByPass ny alakamisy alina 25 aogositra 2022 lasa teo. Tsiahivina moa fa teo amin’ilay toerana nivadihan’ilay kamiao lehibe nitondra solika mavesatra mihintsy ity kamiao ity no nivadika, izay mbola tsy afaka akory ny menaka very tamin’ny loza teo aloha.

Tsy hay mazava ny tena antony nampivadika ity kamiao ity. Tsy nisy moa ny aina nafoy ary tsy nisy ihany koa ny olona naratra nandritra izany lozam-pifamoivoizana izany. Efa nijery ifotony ireo mpitandro filaminana misahana ny fifamoivoizana nijery ny zava-misy marina sy ny tokony atao rehetra manoloana ny loza toy izao, ary indrindra ihany koa nanao fanadihadiana ny mety antony nahatonga ilay loza.

Mila mitandrina hatrany.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire