SocialTatitra

République Démocratique du Congo : Olona manodidina ny 15 matin’ny vondrona ADF.

Olona mandidina ny 15 no voalaza fa maty novonoin’ny vondrona mpiady ougandais na ADF ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy 15 martsa teo, hoy ny mpampita vaovao teny an-toerana tamin’io andro io. Nisy fihetsiketsehana nataon’ny tanora tamin’io fotoana io hoy ny nambaran’ireo mponina tao an-toerana. Tonga nanaparitaka azy ireo ny mpitandro ny filaminana, hoy I Paul Muhindo Katembo, tompon’andraikitra tao an-toerana tamin’ny AFP. Tanora iray no maty vokatry ny “balle perdue” ary iray kosa naratra mafy hoy hatrany izy. Nanambara kosa ny filoha tao an-toerana fa vata-mangatsiaka 12 no hita taorian’ny fifanjevona io alina io. Nisy tamin’ireo razana no tsy fantatra intsony noho izy ireo potipotika tanteraka. Raha ny fanadihadiana vonjy maika, nahitana vehivavy 4 farafahakeliny tamin’ireo maty ireo. Efa antaonany maro no nisian’ny vondrona ADF ary tsy ao Congo ihany no lasibatr’izany hoy ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire