Rwanda : Omena lanja ireo kodiarana tsy miasa intsony
Olona manodidina ny 12 eo ho eo no manome aina indray ireo kodiarana amin’ny fiara ao afovoan’I Rwanda. Avadik’izy ireo ho fanaka ireo kodiarana efa tsy miasa intsony, sokajian’izy ireo ho fandotoana ny tontolo iainana. Mandrafitra ny atelier Kigali ireo olona manodidina ny 12 ireo. Vidin’izy ireo 5 dolara (manodidina ny 20 000 ariary) ny kodiarana iray izay tsy miasa intsony. 10 taona izao no nitsanganan’ny atelier Kigali. Nihamaro tao anatin’izay taona izay ihany koa ireo mpanjifa ny vokatra. Amidin’ny atelier amin’ny vidiny mirary zakan’ny tsirairay ny asa vokarin’izy ireo. Afaka misitraka ireo asa-tanàna Rwandais ireo avokoa arak’izany ny mponina ao an-toerana. Nahazoana alalana avy tamin’ny ivon-toerana misahana ny fahadiovan’ny tontolo iainana ao Rwanda ity tetik’asan’ny atelier Kigali ity. Manantena ny ahavita hampiakatra ny tahan’ny asa fanodinana ho 40% hatramin’ny taona 2030 arak’izany ny governemanta ao Rwanda.
