SocialTatitra

Arabie Saoudite : Tafiotrampasika mahery nandrakotra ny tanàna.

Nitrangana tafiotra fasika na “tempête de sable” goavam-be tao Arabie Saoudite ny 15 Martsa. Ary ity no mafy indrindra hatrizay taona nifanesy izay. Rakotra fasika tanteraka ny tanàna ary voatery nahato avokoa ny asa aman-draharahan’ny mponina any an-toerana. Zavatra efa mpiseho ny fisian’ny tafiotrampasika any an-toerana ka tsy zava-baovao intsony izany ho an’ireo mponina fa ity indray mitoraka ity kosa no tena tsy fahita firy. Talanjona tokoa izy ireo sady manontany tena amin’ny antony. Ity no lehibe indrindra hatramin’izay naha tany ny tany tao Arabie Saoudite.

Laisser un commentaire