Niger : Hakatona amin’ny 31 martsa ny toeram-pitrandrahana ao Akouta
Hakatona amin’ny 31 martsa ho avy izao ny toeram-pitrandrahana uranium ao Akouta, Niger hoy ny talen’ny Cominak, ny herinandro lasa teo. Ny fihenan’ireo mpametra-bola (investisseurs) amin’io toeram-pitrandrahana io no antony voalohany tsy maintsy hanakatonana azy raha araka ny vaovao. Mihen-danja ihany koa ny vidin’ny uranium eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy hakatona anjambany anefa izany fa efa nahita vahaolana hitsinjovana ireo mpiasa mivelona ao amin’io toeram-pitrandrahana io ny Cominak. Manodidina ny 600 izy ireo ary ho tolorana lelavola mitentina 20 ka hatramin’ny 50 tapitrisa FCFA (135 ka hatramin’ny 339 tapitrisa ariary). Manodidina ny 75 000 tona ny uranium efa novokarin’ity toeram-pitrandrahana ao Akouta ity hatramin’ny taona 1978 ka hatramin’ny 2019. Anisan’ny toeram-pitrandrahana mamokatra ihany koa ny an’I Somair izay mbola manohy ny asany hatramin’ny taona 2035.
