Brésil : Cândido Godói, tanànan’ny kambana
Ny Cândido Godói na tanànan’ny kambana ao Rio Grande do Sul, Brésil dia tanàna manana tantara miavaka. Manana tahana mponina kambana ambony io toerana io ary raha ny fantatra dia nohon’ny trangan-javatra niseho tany amin’ny ady lehibe faharoa izany.
Eo amin’ny sisintain’i Argentine no ahitana ny Cândido Godói, manodidina ny 6000 ny mponina ao aminy ary kambana ny 10% n’izany izany hoe avo dimy henin’ny taha ao amin’ny fanjakan’i Rio Grande do Sul.
Teratany Allemanina nifindra monina ny 90% ny mponina ao Cândido Godói ary izy ireo indrindra no miteraka kambana maro. Raha ny tantara dia efa nanomboka ny taona 1960 no nahatratra 400 mahery ny kambana tao amin’ny tanàna. Fikarohana nataon’ny Nazi iray nantsoina hoe Josef Mangele no nahatonga ny kambana niroborobo tao Cândido Godói. Fikarohana tamin’ny biby no nahatongavany voalohany tao an-toerana tamin’ny taona 1943. Nahavita nampiteraka kambana omby izy saingy nanao fanandramana tamin’ireo voafonja tao « Аuѕсhwіtz » nanehoana ny fahambonian’ny foto-tarazon’ny olombelona.
Nanomboka nanome fanafody vehivavy maro izy ary nanomboka niteraka kambana maro izy ireo. Nanditra ny fiharavan’ny « Тrоіѕіèmе Rеісh d’Ніtlеr » tamin’ny taona 1945 no nitsaoka tao Аmérіquе du Ѕud io mpitsabo io saingy nitohy ny fiteran’ireo mponina tao an-toerana kambana. Ny taona 1963 no nahitana isa be indrindra tamin’ny kambana teraka tao an-tanàna.
