ActualitésTsidika

Office National Antitabac :  Notokanana omaly 29 Jona teny Itaosy ny Batiment de Sevrage

Nahatsangana fotodrafitrasa iray indray ny avy amin’ny Office National Antitabac, dia ny “Batiment de Sevrage” na ilay toerana hialana amin’ny zava-mahadomelina. Araka izany dia omaly no notokanana ity fotodrafitrasa ity ary tonga nitokana izany teny an-toerana ny Filoham-pirenena mivady.

Raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra dia ilaina ary hanampy olona voageja  maro ny fisian’ity Batiment de sevrage ity ary koa hanatsara ny asa atoan’ireo mpitsabo misahana ny fialana amin’ny zava-mahadomelina.

“Ady lehibe goavana ny fiadiana amin’ny zava-mahadomelina ka rariny sy hitsiny raha hanangana fototrafitrasa lehibe tahaka izao ny sampan-draharaha misahana manokana izany ady izany. Ny toerana toy itony ihany koa dia hanampy ary  hanafaigana ny fitsaboana atao amin’ireo olona izay maniry ny hiala amin’ny zava-mahadomelina” hoy ny fanazavana avy amin’ny mpitsabo iray.

Andrasana kosa ny fampitam-baovao mikasika ny fotoana hisokafan’ity toerana ity aorian’izao fitokanana izao. Eo ihany koa ny mety ho fampahafantarana bebe kokoa amin’ny daholo be ny tena asa hiandraiketany sy ny fototra ilana azy.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire